Tompo ô, ny faniriako
AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Tompo ô, ny faniriako
1-Anilanao eh, ry Tompo malala.
No mamiko indrindra sy tena tiako.
Ka n’inon-kidona izaho tsy hiala.
Fa hanaraka anao, izay no faniriako.
Ref:
Hidera sy hanome,voninahitra ho anao.
Ry Tompo sy mpanjaka, Rain’izao tontolo izao.
2-Ianao izay Tompon’ny hery rehetra.
Ny faniriako izao, sy ny fikasako.
Dia ny hanompo Anao, ka aina no fetra.
Izany re ry Tompo no ventson’ny foko.
3-Ireo andro rehetra izay nomenao ahy.
Atokako ho Anao, Anao manontolo.
Fa raha eo Aminao tsy misy mampanahy.
Fa toy ny ondry tsara, tsara kolokolo.