Tompo ô, ny fahasoavanao

Honoré Feat Dionah

Tompo ô, ny fahasoavanao


V: -Tsy haiko ny hangina Tompo ô,
Noho ny fitiavanao
Tsy mety mangina ny foko
Ka indro aho hidera Anao.
-Tsy haiko adinoina tokoa,
Ireo soa nataonao ahy
Fa ho tantaraiko
Fa Ianao no nahatoy izao ahy. (X2)


Ref:
-Fa ny fahasoavanao Tompo ô,
No nahatoy izao ahy
Ny famindram-ponao,
No mbola iainako!
Very aho Tompo ô,
Raha lavitra Anao
Fikiro aho tazomy ny tanako.


L: -Tsy haiko ny hangina Tompo ô,
Fa tonga aho hisaotra Anao
Ireo fahotako maro tokoa,
Dia tsy mba novalianao.
-Fa notiavinao aho
Nohon’ny halehiben’ny famindram-ponao!
Dia nodiovinao aho
Ka tonga zanakao.


Ref:
-Fa ny fahasoavanao Tompo ô,
No mahatoy izao ahy
Ny famindram-ponao,
No mbola iainako.
Very aho Tompo ô,
Raha lavitra Anao
Fikiro aho tazomy ny tanako.


Ref:
LV: -Fa ny fahasoavanao Tompo ô,
No nahatoy izao ahy
Ny famindram-ponao,
No mbola iainako.
L: Very aho Tompo ô,
Raha lavitra Anao
Fikiro aho tazomy ny tanako.
….
LV: -Tsy maintsy ho lazaiko Tompo ô,
Fa Mpanjakako Ianao
Ho dradradradraiko tokoa
Fa tsara loatra raha Ianao.
-Ôh ry mpino namako ô,
Lozako anie sy lozanao!
Raha tsy mandeha mitory
An’izao tontolo izao.


Ref:
V: -Fa ny fahasoavanao Tompo ô,
LV: No mahatoy izao ahy
Ny famindram-ponao,
No mbola iainako.
Very aho Tompo ô,
Raha lavitra Anao
Fikiro aho tazomy ny tanako. (x2)


Fikiro aho tazomy ny tanako. (x2)


·