Tompo ô miantso Anao

GAFLI

Tompo ô miantso Anao



  1. Tompo ô, miantso Anao izahay mpanompnao
    Mihainoa sy manatreha ‘zao fotoananay izao
    Hamarino, Tompo ô, fa na aiza na aiza
    No mivory amin’ny Anaranao
    Eo afovoany Ianao


Ref: Ianao Jesoa nanao ny famonjena
No Mpamonjy tokana azo ekena
Ny fitiavanao Jesoa lehibe tokoa ho anay
Voninahitra ho Anao, ho Anao irery
Ho Anao mandrakizay



  1. Ny sain-dratsin’i satana fahavalo efa resy
    Dia didianay mba hiala amin’ny Anaranao
    Ny Fanahinao Jesoa dia aoka hanazava
    Ka ny haizina ‘zay nisy teo
    Soloinao mazava


·