Tompo ô, mampianara anay
SLK Ambohidroa
Tompo ô, mampianara anay
- Mampianara anay hahay hanetry tena
Sy hamela ny heloky ny hafa
Fa Ianao no tena fahendrena
Ry jesosy Tompo ô henoy ny vavakay
FIV:
Aza avelanao zahay ka hanjahatra eto
Fa sao (angiana samy irery)
Andeha (ho very rery ety)
Fa tsy sitrakao ny toetranay rehetra
Ka tianao hovana
Ho mendrika Anao
Ianao ihany anie no efa nanambara
Angataho izay rehetra tianareo
Tsy hisy ho very valiana soa aman-tsara
Raha toa hahasoa anay dia tsy ho lavinao
Mampianara anay hanisa ny andronay
Tsy ho variana angataka fotoana
Fa androso ho vonona amin’izay
Hanaraka Anao tokoa ka tsy hihemotra
Efa maty Ianao nisolo ny helokay
Nomboina, nijaly mafy koa
Koa miangavy, tantano izahay
Fa tsy mahatokana ho very an-dalana