Tompo ô ! ny faniriako

CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano)

Tompo ô ! ny faniriako


1 - Anilanao e, ry Tompo malala
No mamiko indrindra sy tena tiako
Ka n’inon-kidona izaho tsy hiala
Fa hanaraka Anao, izay no faniriako


Réf : Hidera sy hanome
Voninahitra ho Anao
Ry Tompo sy Mpanjaka
Rain’izao tontolo izao


2 - Ianao izay tompon’ny hery rehetra
Ny faniriako izao sy ny (mba ) fikasako
Dia ny hanompo Anao ka aina no fetra
Izany re ! ry Tompo no vetson’ny foko


3 - Ireo andro rehetra izay nomenao ahy
Atokako ho Anao , Anao manontolo
Fa raha eo Aminao tsy misy mampanahy
Fa toy ny ondry tsara, tsara kolokolo


·