Tomoera Tsara

Ny tsantan'ny famonjena FJKM Ambohidroa

Tomoera Tsara


Ho anao izay nanaiky ny hanaradia sy hanompo an’i Jesoa
Dia izao no teny sy hafatra omeko anao
Tomoera tsara amin’ny finoana ianao


Ataovy am-pitiavana ny asa ampaina anao
Fa izy andamina
Ary Izy hanampy anao , hanoro hevitra
Fa miavaka ireo manompo sy tsy manompo Azy


Fa ny valin’asanao dia efa miandry anao
Ataovy ny asan’I Jesoa ilay naniraka anao
Fa na ohatrinona ary no laninao
Dia honerany rehefa Tonga Izy


Ny asanao tsy ho mora kanefa misy fifaliana
Ny anjaranao dia ny mahatoky Azy
Fa izy andamina ny lalanao


Ataovy am-pitiavana ny asa am-panaovina anao
Fa Izy hanampy anao , hanoro hevitra
Fa miavaka ireo manompo sy tsy manompo Azy


·