TOMBAM-BIDIKO
Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA)
TOMBAM-BIDIKO
Notiavin’Andriamanitra fatratra aho
Nomeny ahy ny zanany lahitokana
Naha foy ny ainy hamonjy ahy sakaizany
Fitiavan-dehibe tsy misy toy izany
Ref: Satria Malala eo imasonao aho Ray ô
Be voninahitra aho sady tianao
Tsy azo sandaina volamena vatosoa
Fa ny rà-nao Jesoa no tombam-bidiko !
Nanaiky ho faty Ianao Jesoa nisolo ahy
Velon’Ianao ka niditra ato anatiko
Fanantenana sy finoan’ianako
Fitiavana tsy levona mandrakizay