TOLORY VONINAHITRA
Chorale Antsan' Ivontovorona
TOLORY VONINAHITRA
1-Dera ho an’ny Avo indrindra nahary ity tontolo,
fahefanana ananany dia tsy misy fetra;
Namolavola vatana sy hery, ary saina , fo, Fanahy,
Hiatrehana ny androm-piainana rehetra.
2-Ny fitiavanao anay dia tsy azo oharina,
ary na oviana dia tsy miova izany;
Naniraka ny zanakao hamonjy ny taninay tety,
nahafoy ny ainy hanala ny otanay!
3- Ny finoanay ry Tompo, mba ampitomboy hatrany,
ireo teninao ho vatsim-piainanay isan’andro ;
Ka mbola manantena fiainam-baovao hiorina aminao Tsitoha,
hitsangan-ko velona izahay notiavinao.
Fiv:
Ho antsika zanany nomeny fiadanana,
Tolory voninahitra mandrakizay Izy Avo indrindra.
A/C: Francis Odet RAMAMONJISOA