Tolory tanana aho Ray

Tanora Masina Itaosy

Tolory tanana aho Ray


Ny zavatra rehetra raha mbola eto an-tany
Dia tena manam-Petra n’inon’inona izany
Mandalo avokoa ireny, miserana toy ny teny


Ka moa tsy tsapanao ve fa marina izany?
Ny tsara ho andrandraina dia ’lay tsy mba lany mamy
Ilay Jesosy Kristy TOMPO no tehirizo sy kajio ao am-po


Fiverenana : Tolory tanana aho Ray fa te hiaraka aminao
‘Zay vitako hatrizay ka nampalahelo anao
Ifonako avokoa ireny, ifonako ombieny ombieny


Ny maso izay mijery no mibaiko ny ao anaty
F’izay rehetra hita toa mambabo tsy ho tanty
Fa na ny ratsy na ny tsara dia toa iray fa tsy mizara


Ny sitraky ny Ray dia mba aoka ilay fanahy
Hitoetra ao aminao, hampanjary izay hatao
Ny tanjona tena kendrena dia ny ahazoana Famonjena


Fiverenana : Tolory tanana aho Ray fa te hiaraka aminao …. (bis)


A/C : SDN


·