TOLONA SASAK'ALINA

Barijaona

TOLONA SASAK’ALINA


Tambitambinao no lamba isalorako
Tanjona hifaharako raha toa ka sitrakao
Sedra tsy mahery no solon-tsafosafo
Feo milantolanto ho anao


Ny bitsikao ry alina
Mamohafoha lalina
Mitolona mafy ka atsaharo
Raha azo atao


Tinafiko, mahangoly
Ny lasa mamolivoly
Izany rehetra izany
Noho ianao.


·