Tojo namana
Ndondolah sy Tahiry
Tojo namana
Tojo namana anie aho,
Tena tiako niriako hatramin’izay
Velom-bolo sy tsiky
Manazava ny fiainako.
Nifanao fotoana e
Tsy andriko mihitsy ny ahita anao
Nanonofy ny saiko
Sahady aho anilanao
Atolotro ny molotro mba ho solom-piarahabana am-bavako ao
Fijery malefaka mambabo ahy.
Natsotrako ny tanako mba ho enta am-ponao aho
Fijery malefaka nambabo ahy.
Ny foko anatiko
Ny foko anatiko.
Hasambarana ho ahy
Ny fahitana ny fiainako tontolo
Namana
Tsy tiako ny tsy anilanao.
Dia niaraka foana e
Nifampitady nifampiantso foana avy eo
Tsy foiko ny tsy hahita anao
Na mainandro na manorana koa
Atolotro ny molotro
Mba ho solom-piarahabana am-bavako ao
Fijery malefaka mambabo ahy.
Natsotrako ny tanako
Mba ho enta-vimbinina am-ponao ao
Fijery malefaka nambabo ahy.
Ny foko anatiko
Ny foko anatiko.
Ny foko anatiko
Ny foko anatiko.