Tohizo ihany

AmbondronA

Tohizo ihany


Miezaha mafy foana
Hahatratra ireo tanjona
Manàna herin-tsaina
Manàna herim-po
Ny làlana hodiavina
Mbola ho lavitra
Mihasarotra koa


Na teo aza izay manao ratsy fanahy
Mivavaha aloha
Mivonona
Mijoroa


Ataovy ambony
Aleo ho tony
Ny saina, ny fo, ny fanahy
Tsy ho reraka ianao
Tsy ho kivy koa
Tohizo ihany ho mpandresy hatrany


Hitady izay ho namana
Mba hiara-dalana
Hifanohana, hifanome soa
Ny Ray ao ambony hitahy
Ho lavitra fakam-panahy
Hanjaka ny fitiavana


Na teo aza izay manao ratsy fanahy
Mivavaha aloha
Mivonona
Mijoroa


Ataovy ambony
Aleo ho tony
Ny saina, ny fo, ny fanahy
Tsy ho reraka ianao
Tsy ho kivy koa
Tohizo ihany ho mpandresy hatrany


Interlude


Manàna fo madio
Dia izao no tadidio
Aza manenjika sao rendrika
Ny saina ratsy hisolo
Ireo toetra ratsy hiova manontolo
Ka ho mpandresy daholo


Ataovy ambony
Aleo ho tony
Ny saina, ny fo, ny fanahy
Tsy ho reraka ianao
Tsy ho kivy koa
Tohizo ihany ho mpandresy hatrany


(Beranto/Beranto)
Ambondrona (Tohizo ihany - Album 4)


·