Tohero

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Tohero


Tohero ny devoly raha manantona anao
Sakano mba tsy hamitaka indray
Ario ireo ody sy ny sampy hatrizay
Antsoy ilay Fanahin’ny Ray


Fanahy ô! Midina faingana Ianao
Indreto ireo vahoaka fiangonanao
Ny teny soa, ny asa izay naseonao
Hitsara izao tontolo izao


Ekeo fa mpanota tsy mba mendrika ianao
Mpanompo tsy mahasoa akory
Kanefa noho ilay fahasoavan-dehibe
Dia ampy ataonao rehareha


Fanahy ô! Fanahy Masina Ianao
Tsinjovy, tariho ireto mpanomponao
Tsinjovy hatrany raha diso lalana izahay
Arovy tahio mandrakizay


·