Toera-manirery
Naly Rakotofiringa
Toera-manirery
Ry toera-manirery mitahiry ilay tsiambaratelo
Fifaliana nofaranana alahelo
Fandalovana indrisy no sisa
Mandimby izany andro lasa voatanisanisa
Mbola tiako hovangiana ankehitriny
Hatsiarovako ilay fiadananay fahiny
Ry toerana lalovako miserana
Misy hasambaran’olon-droa
Matory tsy hifoha
Izao no hafatra ataoko amin’izay havako izay
Hokaloiko irery izany hiranay
Mba hanako ao am-pony ny tantarany
Ary koa ilay veloma nataonay farany