TOE-PO

Joseph d'Af

TOE-PO


Tsy moramora ny mankatoa
Manefy ny sitrapo
Manda ny tena koa


Tsy moramora ny manara-dia
Milanja ny hazo fijalianao Kristy
Manompo anao Jesosy


Tsy voatery hampifaly ahy
Ny nofoko mangahiahy
Fa mahazo vahana ny fanahy


Ny fanamasinantena
Amiko no tena harena
Dia ny mihaina amin’ny fanetrentena


Fa raha ny lalanao no lalako
Izay sitrakao no sitrako
Ny herinao no heriko


Tsy izay tiako fa izay tianao
Ny fihevitro tsy mba fihevitrao
Hankatoha ny sitraponao


Hatao anie ny sitraponao


Indraindray toa sarotra ekena
Fa ny fihainana dia fanetrentena
Izaho anie tsy maintsy mihena


Aleoko mihetry farany ambany
Hisandratanao ambony izany
Ho hitan’ny vahazantany


Fa raha ny lalanao no lalako
Izay sitrakao no sitrako
Ny herinao no heriko


Tsy izay tiako fa izay tianao
Ny fihevitro tsy mba fihevitrao
Hankatoha ny sitraponao


Koa inona no hatahorako?
Raha ianao no ato anatiko
Koa inona no mampanahy?
Fa amin’ny herin’nyFanahy
Handroso aho tsy hiahiahy


Fa raha ny lalanao no lalako
Izay sitrakao no sitrako
Ny herinao no heriko


Tsy izay tiako fa izay tianao
Tsy fihevitro fa fihevitrao
Hatao anie ny sitraponao


·