TOBIN-TSARETY

Clim

TOBIN-TSARETY


Harivariva ô, mena masoandro
Ny hatsiaka mamirifiry
Eny indreny, ny mpanjono mody
Manjokozoko mamonjy ny akany


F’ireo mpitondra ô, sarety kosa
Toa lavi-podiana trotraky ny dia
Indro eo ô , ambody afo eo
Renoky ny tory, reraka tokoa


Ny omby novahana, mba hiala sasatra
Toa feno hafaliana, mandinika milamina
Tsy fantany mantsy ô, fa raha vao maraina
Dia hitohy indray , hitohy indray ny dia


F’ireo mpitondra ô, sarety kosa
Toa lavi-podiana trotraky ny dia
Indro eo ô , ambody afo eo
Renoky ny tory, reraka tokoa


Lalalalala ! Lalalalala ! Lalalala ! Lalalalalala !
Lalalalala ! Lalalalala ! Lalala ! Lalalalalala !


F’ireo mpitondra ô, sarety kosa
Toa lavi-podiana trotraky ny dia
Indro eo ô , ambody afo eo
Renoky ny tory, reraka tokoa
Renoky ny tory, reraka tokoa


·