Toaka tapany (Version)

Bessa feat Njakatiana

Toaka tapany (Version)


Raha sakaizako tokoa ialahy amin’ny fo madio
Hividiano toaka tapany aho himamoako anio
Aza asain’ialahy miresaka aho fa tsy tantiko
Efa mila toa hitresaka ny ato anatiko
Dia vonoy f’aza arehitra
ireo jiro ireo
Aza asian’lahy ady hevitra fa avelao eo
Ary andana koa mandehana ialahy f’andrao bediko
Raha sendrasendra ren’ ialahy ny redirediko
Dia akatony mora
io varavarana io
Ndrao misy manakora
fa mamo aho anio
aminy io toaka io


Tsy maintsy afeniko an’ialahy
tena adalana ny ahy
Na zandrikely tia ahy sy tsy foiko aza
tsy afaka aho hilaza


Fa nahoana hoy ialahy mantsy ahy
no hisotro ianao
Sao dia mba manimba tena lahy
fa tsy fomba izao
Tsy afaka hilaza ny marina aho
izay antony
Fa rehefa tsy hividy hoy aho
tsy misy antony
Manam-bady aman-janaka aho
sady tiako ireo
Tsy mba mahatsiaro lanaka aho
miasa ho an’ireo
Saingy angamba tontom-bitana aho
ka miavaka
Te hanakatra ny kintana ho firavaka


Fa rehefa laniko io dia
Dôzy aho dia
Mamo aho dia
Hiaka aho dia
Jenjina aho dia
Angamba adino hatreo
ity nofy ratsiko


·