TILY ANDEHA HILASY
Mpanazava sy Tily eto Madagasikara
TILY ANDEHA HILASY
Tily andeha hilasy ka velon-kira fa hilalao
Miara-mientana mantsy ka tsy mba misy mifandao
Na dia lavitra aza ny lalan-kely mbola haleha
Tily ka tsy mba kivy na aty ala maizim-be
Hiran’ny Tily manako Toy ny lamako tsy mba miato
Tily andeha hilasy ire ka falifaly fo
Tily miara-mamindra ka hehy mirindra fa hilalao
Lasy mifindrafindra tsara indrindra no atao
Na dia mideza aza ny fiakarna zay haleha
Tily mihirahira na avy aza ny oram-be
[Hiran’ny Tily manako toy ny lamako tsy mba miato
Tily handeha hilasy ireo ka falifaly fo] *2