Tiany Ianao

Jon Mos John

Tiany Ianao


Ny fitiavana mantsy hono indraindray
Raha koboinina ao am-po
Dia zary ho alahelo sy ho adin-tsaina
Ka hankarary ny fo


Ambarako eto izao ho renao
Fa tiany ny ho anilanao
Nefa manahy ihany
Sao ho lavinao
Fa ny anio ny mahafaly azy
Dia ny ho anilanao ihany
Nefa hatramin’izao tsy fantatrao
Fa izy nitia anao


Tena tiany hono ianao
Nefa tsisy azo atao
F’ilay fitia mihintsy no efa tsy ao
Tsy nitsiry ao am-po ka nandratra ny fo


Manahy ihany mantsy aho indray andro any
Fa hihaona indray ianareo
Ka aoka tsy ho tomany
Ny ho setrin’izany
Fa raha ny tiany sy niriany
Dia mbola ianao ihany
Kanefa izaho foana
No setrin’ilay fitia nomeny anao
yeah! Yeah!


Tena tiany hono ianao
Nefa tsisy azo atao
F’ilay fitia mihintsy no efa tsy ao
Tsy nitsiry ao am-po ka nandratra ny fo


Guitare solo


Tena tiany hono ianao
Nefa tsisy azo atao
F’ilay fitia mihintsy no efa tsy ao
Tsy nitsiry ao am-po ka nandratra ny fo


·