Tiako nefa

Tann Faya

Tiako nefa


Tiako ianao io nefa


Tann Faya :
Ooh’ Kiala aah’,
‘Ndao hifanaraka samy hiala,
Inoko angamba fa tsy adala aho,
Fa leo le hiantso anao malala aho, iraha-mahalala malala aah’
Ooh’ Kiala aah’,
Na ny afotsika aza efa maty
Ny atsika tsy anjara, ka andao ho ravaina mba tsy hifanomezan-tsiny
Vao solafaka na kely aho dia fahazaranao ny mamely ahy
Hmm, Olombelona tsy Anjely aho
Lasa fankahalana andao ravaina dieny tsy ho tara


Mbola hahita ny anjaranao ianao minoa ahy
Etsy ho fihiniko eto an-tratrako
Na ho samy hafa ny làlana enga anie tsy hanadino ahy,
Tsy ho roiroy hoatsika roa
Ho tazomiko ho sakaiza, fa ‘zay takaitran’ ny ratra iraha-mitaiza


Johane :
Tiako Ianao io ’nefa … (x6)


Efa tsy hifoha intsony eih, tsy safidy fa tsy fananiana
Tsy lasa intsony ka aleo samy manana ny làlany eih
Mety hoe ho azo atao ihanyy, ny handray anao ho namana!
Izay no sisa eih, azoko atao


Tann Faya & Johane :
Hiaraka fa ’tsisy tanjona,tsisy mba natsangana
Ny ampitso ’nge fibanjina tsy vitan’ ny hoe Fitiavana io
Fitiavana tsy hakaiza tsy aleo ho very any? Very any, very any
Ra miteny hoe tiko Ianao aza,toa lasa fahazarana
Io lasa am-bava fotsiny fa tsy avy amin’ny fo akory


Tiako Ianao io ’nefa … (x3)


Johane :
Fa ny ato ampoko eih, marary ihany
Nefa tsy maintsy handao, tsy maintsy andao anao …
Mbola hahita anjaranao enao mino aho (x2)


F’ efa tsy maintsy handao,
Tsy maintsy handao Anao!
(Tiako Ianao io ’nefa! x2)
Mbola ahita anjaranao Ianao,
Minoa ahy!


·