Tiako izy

Nampoina

Tiako izy


Nilaza azy aho androany vahotra toa tsy sahy
Izaho manahy asa tokoa izy ve mba toa ahy
Efa ela izy no nilaza f’izy hono hoe tsy mivazivazy
Izany moa ve nefa eny hoe sa fombany ihany
Hoe tena metotra ve sa tena hanihany


Ny foko efa manaiky azy
Fa ny saiko no mbola mandà
Hoe izy ve tena tia sa mbola hilalao
(Fitia) Fo tena manaiky azy
Ireo toky nomeny ahy lasa toa mampanahy


Tiako izy,
Tsy haiko izany hoe raiki-pitia
Ianao milaza fa hoe tena tia
Ka lazao ahy anio


Tiako izy,
Ny foko hilaza hoe eny na tsia
Tsy isalasalanao ve ilay hoe ho doria
Mba lazao ahy anio


Fa mbola zaza ve ilay fo ka avela ho raisim-potsiny
Tiako izy nefa aleoko ihany manadihady
Toa izay izaho xxxxx e
Hanaiky azy avy eo velona ahiahy
Fa andramako ihany hiroboka aho na tsy sahy


Ny foko efa manaiky azy
Fa ny saiko no mbola mandà
Hoe izy ve tena tia sa mbola hilalao
(Fitia) Fo tena manaiky azy
Ireo toky nomeny ahy lasa toa mampanahy


Tiako izy,
Tsy haiko izany hoe raiki-pitia
Ianao milaza fa hoe tena tia
Ka lazao ahy anio


Tiako izy,
Ny foko hilaza hoe eny na tsia
Tsy isalasalanao ve ilay hoe ho doria
Mba lazao ahy anio


Oie, oie
ouh ouh


(Tena tiako izy iny e)
Tiako izy,
Tsy haiko izany hoe raiki-pitia
Ianao milaza fa hoe tena tia
Ka lazao ahy anio


Tiako izy,
Ny foko hilaza hoe eny na tsia
Tsy isalasalanao ve ilay hoe ho doria
Mba lazao ahy anio


·