Tiako ianao
Fafah Rabenatoandro
Tiako ianao
Ho anao,
izao hira izao
ianao ilay tiako indrindra
nefa tsy ampy ny teny
tsy ampy ity hira ity
hilaza ilay fitia
ao anatiko ao
ho anao
satria tsy hay lazaina
tsy ho takatry ny saina
nefa hiezahako ihany
ny hilaza izany
Ref:
Fa n’aiza n’aiza misy anao
N"inon’inona atao
Dia tsarovy hatrany
fa misy any ho any
fo iray,mitempo ho anao
Fa n’aiza n’aiza misy anao
na tsy hino aza ianao
dia averiko indray
fa hatrizay na izaho na ho mandrakizay
mandrakizay…tiako ianao
Fa na omeko anao aza
izao tontolo izao
dia mbola tsy ampy
hilaza ny ao anaty
Ho anao
satria tsy azo ariana
tsy ho ahy takarina
ny fataoko izao
satria tiako ho tsapanao
Ref:…….