Tiako foana ny mihira

GAFLI

Tiako foana ny mihira


Tiako foana ny mihira hira fiderana anao
Na ao anaty fifaliana na ny sento no ampoko ao
Fa famonjena sarobidy no vitanao ry tompo tia
Tsy hadino fa tadidy ao am-poko lalina ho doria


Fa ny feo sy ny talenta ampiasaiko jesoa
Hiderako sy hanefaan ny irakao
Ny fitiavanao tsy takatry ny saiko
No ambarako amin’izao tontolo izao


Tiako foana ny mihira entiko misaotra anao
Tsy mba haiko ny hangiana noho ireo asa sy fahasoavanao
Satri feno fahendrena ny tendrinao ry tomposoa
Sitrakao dia nekena mahasoa isaorako avokoa(2)


·