Tia Ho Faly

Lucas Ravoson

Tia Ho Faly


Sary iray ‘zay manako
Feo iray tsy re
Vina toa mijanona eto
Nofy navelanao teto


Veloma ianao mandra-pihaona
Tsy ho ampy mihitsy ny fotoana
Tantara tsara fiafarana
Ho tody amin’ny fiandohana vaovao


Mianatra ny miaina indray aho
Ahona re rehefa tsy eo ianao


Mba tia ho faly aho


Tsaroako indray ilay sarinao
Reko foana ilay feonao
Mijery avy lavitra no hataonao
Voasoratra ilay tantara vaovao


Andro iray izay nandrasana
Hifampitantana indray
‘reo feontsika roa hiara hikalo


Fa tena faly


·