Tia dia tia

Dadah Rabel

Tia dia tia


Izay lazaina
Ho ditranao
Tsy mampaninona ahy akory
Fa izay, izay foinao ho ahy
Ho ahy no mba atolory


Satria aho tia,
Tena tia, dia tia


Raha izay ditra foana,
tsy nisy tsy nanao
Nefa atao ahoana fa tanora milalao
Ka aza atao ifanomezan-tsiny
Ny fo tsy vato fa be ny faniriany


Izao aho tia,
Tena tia, dia tia


Efa tonga ny andro
Hifaranan’izany
Akoho ela nitsaingohana
Tsy maintsy drodroka ihany
Ka maniry hisotro ronono amin’zay
Te hanan-tokantrano mba tena ahy
Ianao no rariako
Satria ianao no tiako, tiako


Ireny tantara
Fahiny rehetra ireny
Aoka izay mba tsy ho asiana teny
Fa fitiavana, Fitia fohy dia fohy
Nanangasanga fa tsy nitohy
Ny antsika hokajiako
Satria ianao no tiako, tiako


Fitiavana horaiketina ho boky
Tsisy resaka afatsy fifanomezan-toky
Ho feno sary, sarim-pahasambarana
Ny pejy farany hisy hoe
“Mbola tsy mifarana”
K’indray andro any
Fahafatesana ihany no hamarana izany!


·