Tia antsika ny Ray

Antsan'i Fenomanana

Tia antsika ny Ray


Ref: Lazaiko anao indray
Tia antsika ny Ray
Izy tsy nandao anao mandrakizay
Nolotom-pahotana maro fa nodiovinao
Ny voninahitra ho anao mandrakizay


1-Maro ireo didy napetrakao ry Ray
Ho entinay miaina ety an-tany
Hiadivanay amin’ireo fakam-panahy
Izay mamatotra ny fiainanay


Ny fitiavanao Ray ô!
Nibaribary tato aminay
Ilay zanakao nanaiky ka nahafoy ny ainy ho anay
Izy tsy sasatra miaro hatramin’izao
Fa na dia solafaka aho notoroiny lalam-baovao


2-Inoanay tokoa fa miaro ianao ry Ray
Fa be siasia aho ninia nanalavitra anao
Nampahory tokoa ny fahotana vitanay
Ny famindram-ponao Ray o
No naha toy izao anay


Voafidinao Ray ô! Ny olombelona ho anao
Nakambanao ho iray anio sy ho mandrakizay
Izy tsy sasatra miaro hatramin’izao
F’ilay be fitiavana no tonga hamonjy anay


Antsan’i Fenomanana
A/C : HAJANIAINA Marco Lapié
Album 5 " Hihira ho anao"


·