TERY AM-PAMOLOANA

Ny any aminay

TERY AM-PAMOLOANA


Satriko hotohizana foana
Irony isika tery am-pamoloana
Ilay niaraka namboatra mololo
Nisangisangy nisambotra lolo


lanao ilay nitomany irery
Nanaovako sangy mahery
Nanomboka teo dia nafana
llay fitia efa saro-bahana


Refrain :
Tsy mba nandrara i Dada sy i Neny
Fa anatra kosa no nomeny
Araraoty hoy izy ny hatanorana
Fadio ny manao hadalana
Dia tsy natao ankinafina intsony
ilay fitia f’efa zary namony
Ka indro mamelana foana
Na ririnina na lohataona


Dia namonjy toera-mangiana
Nifampitosy namorona dina
Fa hiombona ho mandrakizay
Ity fo anankiroa tafaray


Masoandro mody tsy hay tohaina
No nampitsangana antsika malaina
Orokoroka, sento, tomany
Fitiavana izany ka mamy


Refrain


Tonony sy Feony : NAIVOARIVELO Rakotondratsimba


·