Teraka ny Tompotsika

FEOMAFI

Teraka ny Tompotsika




  1. Ry olona ô avia! Ry tany mifalia
    Mba henoy ny teninay teraka ny tomponay
    Ao an-tranon’ omby ao,ndeha hitsaoka Azy izao
    Teraka ny Tompo teraka Jesoa
    Ry olona o avia! Ry tany mifalia
    Mba henoy ny teninay, teraka ny Tomponay




  2. Ry olona o! Avia Ry tany mifalia
    Mba henoy ny havanay ,misy zaza hitanay
    Zanak’ Andriamanitra, hamoha indray ny lanitra
    Teraka ny Tompo, teraka Jesoa
    Ry olona ô avia! Ry tany mifalia
    Mba henoy ny havanay, misy zaza hitanay




  3. Ry Kristianina ô! Hobio fa afaka ianao anio
    Resy izao ny rafinao, afaka ota ianao
    Fahasoavan-dehibe, no ho anjaranao anie
    Teraka ny Tompo, teraka Jeso
    Ry Kristianina o! Hobio fa afaka ianao anio
    Resy izao ny rafinao, afaka ota ianao




·