Teraka anio
Antoko Mpihira MORIA
Teraka anio
Teraka anio re ilay mpamonjy sy Mesia
Tonga hanavotra sy hamonjy ireo mania
Soratra masina mihitsy izao no manambara
Tsy honohono fa tena marina ity tantara
Mpanjaka iray mahery
No tonga tsy an-tery
Manaiky ny hiafy
Fa tsotra ny fitafy
Nafoiny tsy nahoany
Ny lanitra ao ambony
Ny fahorian’ny tany
No nahatonga izany
Drafitra vitan’Andriamanitra no tontosa
Ho fanavotana ity tany rakotry ny ota
Na fotsy na mainty na mena eny na ny mavo
Tsy mba manavaka ity zanaky ny avo