Teo Jesoa

GAFLI

Teo Jesoa




  1. Indraindray toa mila ho resin’ny fiainana
    Rehefa injay misesy ny olana
    Fijaliana foana no indro manoloana
    Aretina mpandavo no indro fa mpahazo




  2. Indraindray toa mila ho kivy sy hamoy fo
    Rehefa mafy ny zava-manjo
    Reraka ny saina, iza no antenaina
    Mitady iantorahana hanolo-tanana


       Ref: Hay moa teo Jesoa
    Soa fa teo tsy mba mandao
    Izy tsy mba hampitondra izay mety tsy ho zakanao
    *Dia niandrandra sy nitraka aho ka nijery ny lanitra
    Isaorako Ianao Andriamanitra



  3. Indraindray ireo noheverina ho havana
    Ireny no mialangalana
    Iza moa no ho antsoina raha tojo voina
    Voazaran’ny fiainana, tsy misy hitarainana




  4. Misy anefa ilay tena azo antoka
    Fa tsy manary amin’ny sarotra
    Izy afaka maka ‘zay rehetra tsy zaka
    Ento eo anatrehany ny entanao entiny


       Ref: Hay moa teo Jesoa ... (x2)



·