TEO FOANA

Groupe NAINA

TEO FOANA


Ny foko izay miantso Anao ry Ray
Dia feno loto haratsiana
Tsy nihevitra Anao
Ka nanao izay tiako aho
Tsy nahatsapa akory, fa efa lavitra Anao


Soa fa mbola misy ny fotoana
Nahatsapana ny fahadisoana
Hiverenana Aminao
Fa tsy mahavita tena aho
Tena mila ny fanatrehanao


Fa Ianao, ilay Ray, tsy nandao
Niandry ahy, nijery ahy
Fa izaho, hatrizay, no nania
Hay Ianao teo anilako foana
Teo foana…….


Isaorako Anao tokoa ry Ray
Ny nandraisanao ahy indray
Ho isan’ny navotanao
Ka afaka midera izao
Hanao ny asanao
Mandra-pihavinao


·