Teny fikasana

Nate Tex

Teny fikasana


Tsy saranga ary koa tsy harena
Tsy takalo, tsy valim-babena
Tsy ilana kory sitraka avy aminao fa ny ahy dia izao.
Olombelona aho, nofo sy ra toa anao.


Dia izay fijerinao ahy rehetra tsy ahoako
Fa tsy ny tsara rehetra nataoko
Fa raha toa ahy ianao izao anio izao
Miandrandra fiovana
Dia fotoana izao, fotoanam-pamelana


Ho anao irery no hanefako ny adidy
Hifampizarantsika eny ny mamy ny mangidy
Hiara-hamakivakivay onja eny
Hiara-ho tody samy ho tafita
Ka manomboka eto hiara-hitempo ny fontsika


Ianao andrianiko izaho ilay tokinao koa
Hifandray toa ny mpiray tampo
Ka raha osa ianao efa eto aho
Hampitraka anao indray
Hofaritantsika hoe izay ilay Gasy iray


Gasy iray, aoeiah
Gasy iray


Ireo fanahiana aza lazaina intsony
Ny vavakao no andeha asandrato ambony
Izay tratry ny heriko rehetra eny
Omeko anao tsy asiako fetry
Na dia hietry aza aho ho fisandratanao


Iray fifaliana isika hiray sento
Fanahy sy fo iray no hiara-hitempo
Tsy ho sasatry ny miandry lava
Tsy ho sasatry ny manantena
Any andro iray hiara-hihika fandresena


Izao no fotoanam-pamelana
Iandrandrantsika fiovana ihany koa
Tsy ho sasatry ny miandry lava
Tsy ho sasatry ny manantena
Any andro iray hiara-hihika fandresena
Hiara-hihika fandresena
Hiara-hihika fandresena


·