Tena tiako ianao

Mirado

Tena tiako ianao


Androany ‘zao dia ‘zao
‘Zao no ilazako aminao mazava
Ny ato am-poko hatramin’ izao
Ka mba raiso sy henoy
Fa mba iangaviako mihitsy ianao
Tsy fanaoko izao, milaza hoe:
Tiako ianao


Sanatria tsy sangisangy
Na hoe teny an-tendromolotra ihany
‘Zao lazaiko anao izao
Raha tsy mino ahy ianao
Indro averiko indray ho renao
Tiako ianao, tena tiako ianao


Ref:
Tsy manery anao anie aho
Tsy hoe koa hoe mitalaho
Fa ny ao am-poko
‘Zay ao anatiko
Izay no tsoriko aminao
Raha tsy mino ahy ianao
Indro averiko indray ho renao
Tiako ianao, TENA TIAKO IANAO


(Feon-kira)


Tsy mila valiny aho
‘Zaho tsy hangataka hiaraka aminao
Tsy izay no tanjoko
Fa raha toa tsapanao
Fa mitovy lanja amin’ny ahy
Ny fitiavanao, dia raiso ny tanako


Ref:
Tsy manery anao anie aho
Tsy hoe koa hoe mitalaho
Fa ny ao am-poko
‘Zay ao anatiko
Izay no tsoriko aminao
Raha tsy mino ahy ianao
Indro averiko indray ho renao
Tiako ianao, TENA TIAKO IANAO


(Feon-kira)


Ref:
Tsy manery anao anie aaa, aaaho
Tsy hoe koa hoe mitalaho
Fa ny ao am-poko
‘Zay ao anatiko
Izay no tsoriko aminao
Raha tsy mino ahy ianao
Indro averiko indray ho renao
Tiako ianao, TENA TIAKO IANAO


Tiako ianao, TENA TIAKO IANAO


·