Tena tiako ianao

Hosana Ambohijatovo Fitiavana

Tena tiako ianao


Tena Tiako ianao


1- Hanandratako feo ,fa na inon-kiseho
dia matoky aho
efa babo ity fo , ka handroso tokoa
hanompo Anao ,
Hodradraiko sy hiraiko
Amin’ny fo sy ny saiko , ry Raiko
Fa natsanganao aho , Very dia navotanao
Hanaraka Anao aho , hitory ny fahatsaranao


Ny ahy dia tsotra ny teny mandramaty ilay eny ,
Manaiky aho ,
Fa tsy vola sy harena ,(no) nentinao namonjena izany aiko
Dinitrao sy ny rà , nividiananao ahy reo Jesosy
ty foko he onena ,ory sy mandini-tena
hazony aho Jesosy ,hiorina tsara Aminao


ref : Tiako e tena mamiko indrindra e
tafaray vita dina e zany foko sy ny fonao ôôô
Tiako e tena mamiko indrindra e
Ka itsaohako , iankohofako ,Andriamanitro


Hitako ny mazava izao ,fantatro izay inoako izao
Jamba aho taloha e , indro aho nampahiratinao
Nitambesatra tamiko , ota sy fanaranam-po
Fantatrao loatra aho Kanefa namindranao fo


Tiako ianao , tiako Ianao
Tena tiako Ianao ,tena tiako Ianao
Tsisy atakaloko Anao ,tsisy atakaloko Anao
Tiako ianao , tena tiako Ianao
Mahatoky eo an-tratranao , tena tiako Ianao


2- Sambatra ny fanahy , tena tombony ho ahy ny akaikinao
fisedrana mandalo ,fandriky ny fahavalo inoako Anao
reo voaraiko sy reko ,ampy ireo anekeko fa ny aiko
Raha noho ny Aminao , foiko tena foiko ho Anao
Hanaraka Anao aho ,hiaritra miaraka Aminao
(miverina in-2 )


ref : Tiako e tena mamiko indrindra e
tafaray vita dina e zany foko sy ny fonao ôôô
Tiako e tena mamiko indrindra e
Ka itsaohako , iankohofako ,Andriamanitro


Hitako ny mazava izao ,fantatro izay inoako izao
Jamba aho taloha e , indro aho nampahiratinao
Nitambesatra tamiko , ota sy fanaranam-po
Fantatrao loatra aho Kanefa namindranao fo


Tiako ianao , tiako Ianao
Tena tiako Ianao ,tena tiako Ianao
Tsisy atakaloko Anao ,tsisy atakaloko Anao
Tiako ianao , tena tiako Ianao
Mahatoky eo an-tratranao , tena tiako Ianao
tena tiako Ianao
Mahatoky eo an-tratranao , tena tiako Ianao


·