Tena tia ahy tokoa Jesoa

Antoko Mpihira EZRAHITA

Tena tia ahy tokoa Jesoa


Tena tia ahy tokoa Jesoa
Tsy mba nahafoy ahy Jesoa
Ka namonjy ahy izay nania
Tena tia ahy tokoa Jesoa


Nampitraka ny foko tomany
Nanadio ahy tamin’ny rany
Ka nanolotra fiainam-baovao
Tena tia ahy tokoa Jesoa


Tena sakaiza tsara Jesoa
Sahy nanolotra ny ainy Jesoa
Hamonjeny ahy izay mpanota
Izaho tsy manana afa-tsy Jesoa


Eny ekeko izay fitondrany
Izay sitrany sitrako hatrany
Ka natsiky na koa hoe tomany
Jesoa tiako ary tia ahy hatrany


·