TENA TIA
Vlm Ampitatafika
TENA TIA
Tony ny fo, mandre ny feonao
Fanilo manazava ny androko
Faly ny fo izany eo ankaikinao
Jesosy babonao aho
Na ady sarotra na fisedrana mahamay
Atolotrao ny tananao hamonjy anay
Ny foko feno hafaliana
Fa manana Anao
Ref: Dradraiko ho ren’izao tontolo izao
Lazaiko fa tena tia ahy Ianao
Ny foko sy fanahiko
Jesosy o hanjakao
Dradraiko ho ren’izao tontolo izao
Ilay fitiavana natolotrao
Ka ny amiko hatramizay
Jesosy o, hanjakao
Ny atao hoe tia ,mandà ny tenany
Manolotra eny hatramin’ny ainy
Ka raha mitia , tsy miandry tambiny
Toa ilay tao kalvary
Tena fitiavana, fitiavany ahy sy anao
Natolony ny tenany ho faty teo
Na kapok’eso latsa koa
Niaretany avokoa
Ref: Dradraiko ho ren’izao tontolo izao
Lazaiko fa tena tia ahy Ianao
Ny foko sy fanahiko
Jesosy o hanjakao
Dradraiko ho ren’izao tontolo izao
Ilay fitiavana natolotrao
Ka ny amiko hatramizay
Jesosy o, hanjakao
Tia ahy Ianao, TIa ahy Ianao
Ouh ,ouh, ouh,
Tia ahy Ianao, TIa ahy Ianao
Ouh ,ouh, ouh,