Tena mpanjaka

Antokom-pihira Vetson'i Siona

Tena mpanjaka


Ref: Enye … hoy Kristy x4


I. Tsy mba nangoron-karena
Na hoe nanapa-doha
Tsy mba tia tena
Fa nizara ny soa


Nanompo ny vahoakany Izy
Nampianatra azy mba hisafidy
Ny làlana izay tena izy


II. Pilaty aza nanaiky azy
Fa hoe tsy melok’io
Fa vahoaka te hanasazy
No niantso fantsiho, fantsiho!
Ny tendrim-po tsy mba namana


F’izaho aloha dia manasa tanana
Ka ento ny Mpanjakanareo
Ento ny Mpanjakanareo


III. Ry Jesoa Mpanjakanay
Izao d’efa fantatray
F’Ianao irery ihany
No Mpanjaka eto an-tany
Ry Jesoa Mpanjakanay


Mba avelao ny helokay
Dia manjakà amin’izay
Manjakà aminay


© Vetson’i Siona


·