Tena haiko raha ianao

Laurent RAKOTOMAMONJY

Tena haiko raha ianao


Tena haiko raha ianao Andriamanitra O!
ka izany no ifikirako aminao
fony aho mbola zaza
no efa reko sy voalaza
fa ianao no Andriamanitro


Izaho tsy minomino foana akory sanatria
na miantsampy amin’ny Hazo tsy fantatra
fa ianao ilay hatrizay
no Tompoiko hatramin’izay
eny Ianao , Ianao mandrakizay


Tiako e, ry Raiko ny eo anilanao
Tena mamiko ka tsy andosirako
ka na ho mora, eny na ho sarotra aza
tsy Hiala aho ry Raiko oh,
fa hifikitra aminao


Foiko e! ny amiko rehetra
hiasako ho anao, entiko hanompoana anao
raiso aho ka tano, izaho tsy mahatana anao
hazony aho ry Raiko o!
Ho ANAO mandrakizay


·