TENA FITIAVANA

Tarika Vonjy

TENA FITIAVANA


Fitia madio sy marina
Fitia tsy namboamboarina
Fitia tsy an-tendromolotra,tsy natao tsolotra
Fa ny fo no manolotra


Fitia tsy manao otri-po
Fitia manaja ny Tompo
Ka na fitiavan’olon-droa
Dia teny iray tokoa no tanjona eo aloha


Ref: Hanorina akany vao
Hifankatia sy honina ao
Ho vonona hifanampy
Fa tena tokiny Jeso ‘Lay vatolampy
Ka raha tojo izay manjo, tsy mba ho kivy fo
Fa manana mialoha


Jehovah รด!! Meteza Ianao
Lazao izay tokony atao
F’Ianao no namorona, naneho fa sorona
No fitiavana marina


Tsy misy manam-pitiavana lehibe noho izao
Dia ny manolotra ny ainy ho fanavotana
Ka raha hitia ianao, fantaronao dieny izao
Izay no filamatra vao handroso ao


·