Telonohorefy

Justin RAJORO

Telonohorefy


Indreto indray re Telonohorefy
Mamirapiratra ao an-tampon’Imanga
Manembonembona f’efa ela tsy nihaona
Irim-bahoaka fa tsy nahamamo
Manembonembona f’efa ela tsy nihaona
Irim-bahoaka fa tsy nahamamo


Sembanin’ny rahona raha fahavaratra
Mamirapiratra tarafin-dohataona
Midobodoboka raha fararano
Manjelajelatra ao anaty ririnina
Midobodoboka raha fararano
Manjelajelatra ao anaty ririnina


Ry voninahitry ny nosy lazao, lazao
Lazao, lazao
Tsy mba re ny anareo ka ambarao
Ambarao, ambarao
Arahaba no ventesinay
Ho anareo izay tena havanay
Andosirana ny loza rehetra


Mpamorona sy mpanoratra: Justin Rajoroarivony


·