TELEFONINA VAVAKA

IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka

TELEFONINA VAVAKA


Fitaovana maro mampiasa miparitaka be
Manana anarana tena malaza motorola, nokia, ZTE
Telefonina lazaiko aminao hafa sy miavaka
Fanahy osaosa sy feo mitoreo telefonina vavaka


Ref: Allô, allô Jesosy ô
Allô, allô valio ity antso ity
Allô, allô mila miari-tory ianao satria
Finoana mihitsy amin’ity finday ity no fahana (na) oe credit


Raha toa tsy mahazo hery miantso oe allô
Mandadiza mandoalika irery fa izany no misy réseau
Raha toa tsy miantso Jesosy Malala antsoy aloha ny foibe
Fanahy Masina mihitsy anie no mampita ny antso mandeha


Ref:Allô, allô…


Raha toa ka tsy miantso mihitsy foibe aloha tsy mitsitsy
In-telo isanandro raha vitsy raha tsy izany dia maty ny puce
Mitandrema ianao fa io tsy vazivazy Baiboly no tena mesazy
Mivavaka foana mikipy mihitsy fa tsy maintsy mahazo bonus


Ref:Allô, allô…


                                                                                    (Hira nindramin’ny IRAFIA)

·