TE HONINA

ISAAC DE PAUL

TE HONINA


Hanolon-tena ho Anao aho
Hanao izay sitrakao
Tsy hanararaotra izao fiainana mandalo izao.


Ref:
Te honina ao aminao rahatrizay
Hitoetra anilanao mandrakizay
Izany re no iriko mafy , Jesô malala ô!


Tario aho Jesosy o!
Rakofy amin’ny ranao soa
Ho lavitry ny fahavalom-panahy izay mety hisompatra ahy.


Hiara-hikorana amin’i dadabe Abrahama
Hiara-hioby amin’ireo anjely maro be.
Hiara-hiaina amin’ny fiainam-baovao amin’ireo izay efa lasanao mandrakizay.


Ref:
Te honina ao aminao rahatrizay.
Hitoetra amin’ny fanatrehanao mandrakizay.
Izany re no irinay mafy Jesô malala ô!


·