Te ho eo anilanao
AMM (Antsan' i Maria Manjaka) Talatamaty
Te ho eo anilanao
1- Ianao ry Jesoa no ilay tiko sy ianteherako,
Mampientana fo sy mahasarika ahy tokoa
Ianao ry Jesoa no ilay fanantenako,
Ilay mpiaro ahy, mahafantatra ny fahosako
Ref:
Mambabo ny fo ny hatsarana ao Aminao,
Ko inty aho mba te ho eo anilanao
Ianao ilay mpiantra sy ilay mpamindra fo
(Tsarara ianao) tena tiko, tiko tokoa
2- Ianao ry Jesoa mahalala ny faniriako,
Manome izay ilaiko sy andrandraiko
Ianao no ametrahako ny fitokiako,
Ilay mpanampy ahy, mpitantana ny diako.