Te-hidera

Emit Mikalo Fiderana(EMIFI)

Te-hidera



  1. Mangetaheta anao ny fanahiko
    Mangetaheta anao ny fiainako ou ou…
    Mangetaheta anao ny vavako
    Mangetaheta anao zany tenako ou ou…


Masina anie ny anaranao
Masina ny hatsaranao
Masina ny fitiavanao…ou ou
Masina ny fanjakanao
Masina ny voninahitrao
Faly ny fo midera anao :


Ref :


Te-hidera ny Tompo aho e…Hankalaza
Te-hidera ny Tompo aho e…Hiantso ny anarany
Te-hidera ny Tompo aho e…Hankalaza
Te-hidera ny Tompo aho e…Hiantso mafy ny anarany



  1. Fenoy ny fanahinao ny fanahiko
    Fenoy (ny) fanahimasinao zany tenako…ou ou
    Rakofy ny elatrao ny fiainako
    Fenoy (ny) fahasoavanao aho Raiko ô ô !


·