TE-HAHITA NY TOMPO

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

TE-HAHITA NY TOMPO


Andeha isika hitady ny Tompo
Fa izy no aina sy vonjy ho antsika
Tsy hijanona isika raha tsy mahita
Na inon-kidona na inon-kihatra


Andeha ary isika hanatona ireo mahantra
Ireo marary sy ory ary mijaly
Andeha koa isika hanatona ny Hôtely
Hanokatra ny Fo sy Fanahy
(Te-hahita ny Tompo ‘zahay) bis
Te-hahita ny Tompo mafy dia mafy re izahay e !


Andeha isika hitady ny Tompo
Fa izy no lalana sy fahamarinana
Tsy hijanona isika raha tsy mahita
Na inon-kidona na inon-kihatra


Andeha ary isika hanatona ireo mahantra
Ireo marary sy ory ary mijaly
Andeha koa isika hanatona ny Hôtely
Hanokatra ny Fo sy Fanahy


(Te-hahita ny Tompo ‘zahay) bis
Te-hahita ny Tompo mafy dia mafy re izahay e !


A/C: RANOELISON Nirina (Ni)


·