TARIGETRA SOA

Daniel RANOASON

TARIGETRA SOA


Dô dia D


1-Fiaraha-midika no ilaina
Ho amin’ny fampandrosoana
Raha tiana tsy ho very maina
‘Zay rehetra atao nohon’ny fiantsoana


Isan’andinny:


Tarigetra soa iaraha-mitana:
“Ny fitiavana sy ny asa tsara (no)
Aseho mandritry ny androm-piainan-tsika
Mandrampiverenan’i Jeso hitsara antsika!


2-Ilay fifankatiavan-tsika
No toy ny solika fitaiza
Izay koloina tsy ho ritra
Fa asehon-tsika hatrany n’aiza n’aiza,


3-Ny asa tsara izay takiana
Sy miandry antsik’eo anoloana
Dia tsy ho vita mora foana
Raha toa tsy misy ny firaisan-kina


Dany RANOA 2001


·