Taratra mazava

Dadah Rabel

Taratra mazava


Be ny aina, ny ra latsaka ka namely ity tany
Nantenaina ho zezika hanafaka hanafoana tomany
Be ny tsy rariny noleferina
Fa nantenaina hampiverina
Ny hasambarana


Nefa miandry, miandry lalandava
Mba hisy taratra mazava
Ny aizina ho foana sy ho rava


Fa miandry, mbola miandry lalandava
Mba hisy taratra mazava
Ny aizina ho foana sy ho rava


… (mozika)


Fa ilay rindrina nazera izay nataonao fierena
Natsanganao indray tsy ankiera
Fa tsy tiana ho jerena
Fa mandoro maso ny fiangarana
Ny bitika ihany no itambesarana
Hiakarana


F’efa leo miandry lalandava
Fa toa zary, zary kobak’ambava
Ny fitaka sy lainga tsy efa lalandava


Tsy misy miteny na mba manazava
Ts’isy manorina fa toa faly mandrava
Toy ny mijery harina an-tava


… (mozika)


Nefa miandry, miandry lalandava
Mba hisy taratra hanazava
Ny aizina ho foana sy ho rava


Fa miandry, miandry lalandava
Mba hisy taratra hanazava
Ny aizina ho foana sy ho rava


·