TARATASY FISAORANA

R.Andri(rivolala) X Sialy(sarobidy la voix d'or)

TARATASY FISAORANA


Isaorako Anao Ry Ray
Ny tombon’andro nomenao ho ahy
Fa velona tsy mba manahy
Dia nohon’ny, FITIAVANAO


Ka mankasitra aho
Hankalazaiko ny momba Anao
Haiko ,fa misy Ianao
Manaiky aho ,ny lahatrao


Ekeko
Ekeko
Fa tinao aho
Ka namindranao fo


Ekeko
Ekeko
Fa Ianao, fa Ianao no, mpamindra fo


Tsy nohon’ny herin-tsaiko
Na nohon’ny fahalalana
Na nohon’ny adalana koa
Na nohon’ fahendrena
Na noho ireo harena
Omenao ho ahy eto an-tany koa
Na ny mijaly sy honena
Na ny olona ti-tena
Ny mahantra tsy mba manan-katao
Dia samy nojerenao
Dia samy novonjenao
Nomenao tombon’andro vaovao
Tombon’andro vaovao


Tena tsampako ny fanavotanao
Tsy tafalatsaka antin’ny fahafatesana aho
Fa raha mbola ka mbola velon’aina
Nomena nomenao anjara masoandro indray zahay


Tena tsampako ny fanavotanao
Tsy tafalatsaka antin’ny fahafatesana aho
Ka dia misaotra
Ka dia misaotra
Ka dia misaotra
Oh haleloia


Isaorako Anao ,Ry Ray
Ny tombon’andro nomenao ho ahy
Fa velona ,tsy mba manahy
Dia nohon’ny, FITIAVANAO
Dia ny fitiavanao


Ny fahasoavanao
No naha toy izao ahy


Dia mankasitra aho
Hankalazaiko ny momba Anao
Haiko ,fa misy Ianao
Manaiky aho ,ny lahatrao


A/C: RIVOLALA 2024


·