TARATASIN-DRAKALAMOMBA
Ny any aminay
TARATASIN-DRAKALAMOMBA
1-Na lavitra aza ny tany eny ho’aho a !
Na tondraka aza ny rano eny ho’aho a !
Tsy ho very tsy ho havanareo anie aho a !
2-Raha resy any an-tany fiadiana aza ho’aho a !
Ka nilozan’ilay olon-tiana aza ho’aho a !
Tsy ho very tsy ho havanareo anie aho a !
3-Raha niady izahay sy ny zanany eny ho’aho a !
Tsy naleony ny azy naterany eny ho’aho a !
Tsy ho very tsy ho havanareo anie aho a !
4-Raha Ory nizaka ny mafy aza ho’aho a !
Na mahantra tsy manan-kitafy aza ho’aho a !
Tsy ho very tsy ho havanareo anie aho a !
5-Raha rovitra aza ny lambako eny ho’aho a !
Na mandositra aza ny namako eny ho’aho a !
Tsy ho very tsy ho havanareo anie aho a !
6-Miorakoraka hono ny Sahona eny ho’aho a !
Mitakosona ve izany rahona ? eny ho’aho a !
Tsy ho very tsy ho havanareo anie aho a !
7-Raha tapitra izay nohariako eny ho’aho a !
Ampodio any an-tany niaviko eny ho’aho a !
Tsy ho very tsy ho havanareo anie aho a !
(Rakotoarisoa)