Taram-pahazavana

None

Taram-pahazavana


Hoy ianao hoe izaho ilay taram-pahazavana
Ilay taratrin’ny tsikinao
Ilay manome fanantenana
Mampisy dikany ny fiainanao
Hoy ianao izaho ilay maditra
Ilay maditrakelinao
Na mankarary isa-minitra aza dia mbola notiavinao


Ka noho izany ianao ry ilay tsy foy
Ilay nitia ahy hatrizay
Tsy mba nanome tsifoifoy
Fa nanome fitia madio ho ahy
(x2)


Ka misaotra eh mankadiry ny fitiavanao
Ka misaotra eh tsy ho adino raha ny vitanao
Ka omeko fisaorana mitafotafo
Ka omeko fitia mandoro toy ny afo


Nampitraka raha sendra taraina
Nampanantena ahy
Hoe mitsangana re ry sombinaina
Ka mijoroa ho sahy
Aoka izay ny tomany
Ry reharehan’ny fony
Fa na hivadika amiko ny tany
Dia izy tsy handao intsony


Ka noho izany ianao ry ilay tsy foy


Ka misaotra eh mankadiry ny fitiavanao
… (x2)


Hoy ianao hoe izaho ilay taram-pahazavana
Ilay taratrin’ny tsikinao
Ilay manome fanantenana
Mampisy dikany ny fiainanao


·